Depiote “Del kely”: “Mila vola sy maka ny fon’ireo mahantra isika”

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fiarahabana ny fianakaviana Ravalomanana teny Faravohitra, omaly, ny depiote “Del kely”.

Nambarany tamin’izany ny paikady fisokafana. “Tsy hijanona ato anatiny eo amin’ny samy Tim intsony isika manomboka izao fa andao resena lahatra ireo mahantra sy ireo sahirana ary ireo tsy miraika amin’ny politika hanampy antsika hanao ny tolona. Mila mitakosona amin’izy ireo isika”, hoy izy. Nohitsiny koa anefa fa tsy mandeha intsony ny politika raha tsy misy vola. Ilana ny fandresena lahatra ireo mpanambola izany. Tokony harovana koa anefa izy ireo ary mila antoka avy amintsika ka antenaina fa manaiky ireo rehefa iresahan’ny filoha Ravalomanana Marc, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa efa mpandresy ny Tim tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo saingy very fanalahidy. “Tsy aty amintsika ilay fanalahidy: “Fahasa­hia­na”. Ho 100% anefa ny fandresena raha tafaverina aty amintsika izany”, hoy izy. Nanteriny koa fa miverimberina ilay teny hoe mahantra sy fadiranovana ny vahoaka. Tsy mahatsapa izany anefa ireo sokajin’olona ireo ka anisan’ny olana. Potika izy ireo manoloana ireto mpitondra ireto amin’ny fanaraotana samihafa toy ny tolotra madinika, araka ny nambarany hatrany. Niaiky rahateo ny tenany fa sarotra ny manazava amin’izy ireo fa tsy mahavita taona ireny ary mahazo tsiny indray aza raha miteny momba izany. Nenta­niny anefa ny rehetra fa mila mijoro ireo mpikambana Tim sy ireo antoko miaraka amin’izy ireo ny amin’ny tokony hatao.

Synèse R.

Partager sur: