Vaovao nisantaran’ny tontolon’ny zavakanto ny taona 2025 ny fanamafisana fa hisokatra ilay ivontoerana hoeti-mampianatra momba ny dihy. Ety am-piandohana, ny dihy malagasy no omena vahana. Tsy voatery ho dihy efa nisy hatramin’izay fa mety ho noforonina taty aoriana no ampianarina eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ho voatazona hatrany, rahateo, ny fototry ny dihy malagasy. Fantatra fa hovolavolaina hanana ny fototry ny dihy, hahay handihy ary hahavita mamorona ny andiany voalohany amin’ireo mpiofana eny anivon’ity foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina sy zavakanto ity.
Ankoatra ireo hira na feon-kira efa faheno sy fandihizana hatramin’izay, tahaka ny « Mandihiza Rahitsikitsika », « Diavolana fenomanana », « Dihin’ny Ntaolo »… Misy sanganasan’ireto mpiofana andiany voalohany ireto hasian-dry zareo dihy. Nomarihin’ny tomponandraikitry ny fitantanana sy fandrindrana ankapobeny eo anivon’ity ivontoerana miorina eny Andravoahangy ity fa : « vina ho anay ny haneho ny voka-pikarohana, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany ».
HaRy Razafindrakoto