Araka ny vaovao voaray sy mahoraka eny anivon’ny tambajotran-tserasera, fantatra ireo vehivavy mpilalao afrikanina 10 voalohany “meneuses”, nanamarika iny taona 2024 iny. Nisongadina i Madagasikara satria anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy mpilalao, Jaofera Minaoharisoa Christiane, izay tafapetraka eo amin’ny laharana fahadimy. Jaofera Christiane izay tena nisongadina tokoa nandritra iny taona 2024 iny, raha tsy hiteny afa-tsy ny nahavoahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, basikety 3×3. Fifaninanana natao teto Madagasikara, ny volana novambra lasa teo, sy ny nahavoahosotra ny Ankoay, lahy sy vavy, ho tompondaka. Ankoatra izay, namiratra hatrany izy nandritra ny fifaninanana afrikanina natrehiny, antony nahavoafidy azy ho Top 10 teto Afrika.
Raha atao jery todika kosa ny ekipa malagasy Ankoay, laharana faha-4 eto Afrika ary faha-49 maneran-tany no misy azy, sokajy lehilahy, tamin’iny 2024 iny, raha ny filaharana farany nivoaka. Laharana faha-5 eto Afrika sy faha-44 maneran-tany kosa no misy ny Ankoay, sokajy vehivavy.
Mi.Raz