Nigadona teto an-tanindrazana, ny talata 31 desambra lasa teo, ny delegasionina malagasy niatrika ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano. Fifaninanana natao tany La Réunion, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nifaninana, nandritra izany, Rakotomalala Tianaina, izay nahazo vokatra tsara. Medaly volamena iray sy alimo iray no norombahiny. Mbola nahavita nanatsara fe-potoana nasionaly 4 be izao ity Malagasy mpilomano ity, teo amin’ny 200m nage libre (NL), 400m NL, 800m NL ary ny 1500m NL. Teo amin’ny 200m NL, sokajy Benjamin kosa no nahazoan’i Tianaina ny medaly volamena ary teo amin’ny 100m NL no nandrombahiny ny medaly alimo.
Anisan’ny nahazo vokatra tsara ihany koa Rakotomanantsoa Mirah sy Rakotomamonjy Amboara Ny Avo izay samy nahazo medaly alimo. Teo amin’ny 1 500m NL ho an’i Mirah ary teo amin’ny 800m NL ho an’i Amboara. Tsiahivina fa Malagasy mpilomano 9 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ity “Meeting de l’Océan Indien”, andiany faha-35, natao tany La Réunion, ity. Voasolo tena tamin’izany ny klioban’ny Saint Michel, Managing, CNAPP avy eto Analamanga, Cosra avy any Antsirabe ary ny CJST avy any Toamasina. Araka izany, efa manomboka mahita vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny atleta malagasy, eo amin’ny taranja lomano, indrindra eto amin’ny ranomasimbe Indianina sy eto Afrika.
Mi.Raz