Mafy ny fiainana : Renim-pianakaviana matin’ny hanoanana

Nitsirara tamin’ny tany, renim-pianakaviana iray, 60 taona, namoy ny ainy tao Ta­nambao Toamasina, omaly. Mpandalo no nahita azy. Tsy nihetsika intsony ary nitsotra eo amin’ny tany izy. Nampia­hiahy ny manodi­dina ny fahi­tana ilay ramatoa izay tsy namaly intsony ny fanairan’ny manodidina azy. Tsy nisy aina intsony, efa maty ilay ramatoa. Niantso ny tomponandraikitry ny fahasala­mana hanao ny fizahana ny vatana manga­tsiaka ny nanatri-maso.
Tsy nahitana ratra na man­gana ny faritry ny vatany, araka ny fizahan’ny BMH. Nanamafy ny solontenan’ny mpitsabo nizaha ny razana fa nitarika ny fahafatesan’ilay renim-pianakaviana ny hanoanana tafahoatra nahazo azy. Ahina ho karazan’olona mpatory an-dalana izy. Nitady ny fianakaviany ny mponina saingy tsy fantatra mazava ny momba azy. Voatery nentina nihazo ny tranom-paty ilay vatana mangatsiakany.
Tsy vao sambany, efa ma­tetika nitrangana fahatesan’ olona tampoka nateraky ny hanoanana tahaka izao ao Toamasina, tamin’ny taona 2024. Nandritra ny fankala­zana ny faran’ny taona sy ny voalohan’ny volana janoary 2025, nahatratra 99 ireo nizaha fahasalamana teo anivon’ ny hopitalibe ao Toamasina. 53 tamin’izy ireo naiditra hopitaly. Ratra nateraky ny zava-maranitra ny 21. Miisa fito ny ratra nateraky ny fianjerana eny amin’ny lalam-bahoaka.

Sajo

Partager sur: