Ny eny amin’ny Radisson Hotel Tanjombato indray no handray ny « Jazz night », amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mpiangaly Jazz maro no handray anjara amin’izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny Madajazzcar sy ny Radisson Hotel no hahatontosana izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny volana oktobra 2024 no nisian’ny hetsika. Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny gadona Jazz, Malagasy sy vahiny, no efa nitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany nandritra izany. Ankoatra ny fampiroboroboana ny gadona Jazz. Tanjona koa ny fampahafantarana ity gadona ity sy ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto miangaly izany, indrindra ireo vao misandratra.
Gadona vitsy mpahafantatra ny Jazz, raha ho an’ny eto Madagasikara manokana. Sokajian’ny olona ho tsy natao ho an’ny rehetra izy noho ny tsy fahafantarana. Na ireo samy mpanakanto aza, vitsy no mahalala ny Jazz. Mampiavaka azy manokana ny fahitana karazan-javamaneno maro samihafa mandravaka azy. Anisan’ny loharano nipoirany, raha eo amin’ny tontolon’ny mozika sy zavakanto ny Ragtime, blues, marche, negro spiritual ary ny mozika milamina. Tany Etazonia, nanodidina ny taona 1910, kosa no nahitana azy raha ara-tantara.
Lin