Raharaha 60 tapitrisa Ariary: Ramatoa iray niakatra fampanoavana

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny renim-pianakaviana misahana ny fandoavam-bolan’ny hopitaly iray ao Toamasina. Niaraka tamin’ireo vavolombelona roa samihafa miasa ao an-toerana. Raha tsiahivina, nisy jiolahy roa lahy niditra an-keriny tao anivon’ny hopitaly Be Toamasina. Intelo niditra varavarana izy ireo vao tonga tany amin’ny caisse. Nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo tao amin’io efitra fandoavam-bola io ka lasa nitsoaka avy hatrany ireto farany. Tranga izay niseho teo anelanelan’ny varavarana voalohany sy faharoa izany. Taorian’izay, natao ny fanadihadiana ary voarohirohy tamin’izany ny ramatoa iray mpitambola eo anivon’ny hopitaly Be. Nilaza izy io fa nisy vola 60 tapitrisa Ariary very tamin’ny fidiran’ny jiolahy tao an-toerana. Niditra an-tsehatra nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nentina niakatra teo anivon’ny fampanoavana ko­sa ny raharaha, omaly. Afaka nody ity ramatoa voampanga ity taorian’ny fanadihadiana. Eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa izy ary miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Sajo

Partager sur: