Ankoatra ny firoboroboan’ity taranja ity eto Madagasikara, mbola ao anatin’ny fampivelarana azy kokoa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ity taona 2025 ity.
Maro ny hetsika vaovao sy ny fanatsarana entina amin’ny efa natao. Voalohany amin’izany ny hisian’ny sokajim-pifaninanana amin’ny teny anglisy mandritra ny fifaninanana nasionaly. Eo ihany koa ny ho an’ny “Slam Scolaire” izay hivelatra kokoa amin’ny sekoly sy ny ambaratonga hafa. Raha tsiahivina, ireo ambaratonga faharoa eny anivon’ny sekolim-panjakana ihany no afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana, tamin’ireo andiany roa natao.
Anisan’ireo taona nitondra fivelarana ho an’ny Slam Malagasy iny taona 2024 iny. Taona nahitana ny lalana ahafahana mampiroborobo ity taranja ity. Raha mahakasika ny Slam amin’ny teny anglisy manokana, anisan’ny tetikasa lehibe ho an’ny fanabeazana ny fampivoarana ny tanora malagasy izany. Ny fahaizana sy fahafehezana ny teny anglisy izay tena ilaina amin’izao vanim-potoana izao. Famerenana ny maha izy azy kosa indray ny an’ny “Slam Scolaire”, raha ny fampitomboana ireo mpandray anjara. Efa nisy ny fifaninanana hita tany an-tsekoly maro, fahiny, na dia tsy nanaraka rafitra aza, indrindra ho an’ny teto Antananarivo.
Mahazo vahana
“Resy lahatra izahay fa ny diplaomasia ara-kolontsaina amin’ny alalan’ny fandaharanasa ho an’ny tanora sy ny fifanakalozana ara-javakanto toy izao dia manamafy orina ny fifandraisana sy fiaraha-miasa” hoy ny avy eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, anisan’ireo mpanohana sy mpiara-miasa amin’ny Madagaslam. Ny Slam izay tena nahazo vahana sy niroborobo tato anatin’ny telo taona farany. Taratra izany amin’ny fisian’ny seho eny anivon’ireo ivontoerana ara-javakanto, hatreny an-dalambe.
Lin