Ho fanomanana ny “Chan” amin’ny volana febroary, efa miatrika « stage bloqué » nanomboka omaly, ny ekipan’ny Burkina Faso. Ao Dar Es Salam, ao Tanzanie, izy ireo no miatrika ity karazana fampivondronana mihiboka ity, raha ny loharanom-baovao ary efa saika feno tanteraka ireo mpilalao miatrika izany.
Voatendry ny alarobia lasa teo, ny Tale teknika nasionaly vaovao, taranja tenisy ambony latabatra, taorian’ny fametraham-pialana nataon’ny DTN teo aloha. Razakarisoa Patrick no voatendry amin’izany. Efa mpilalao nandrafitra ny ekipa nasionaly ny taona 1993 hatramin’ny 2003 izy. Efa mpanazatra ihany koa ny taona 2005 hatramin’ny 2015.
Haharitra 7 volana ny fanomanantenan’ny Malagasy mpikatroka Kick Boxing, i Nambininjanahary Moustepha, hanomanany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa nahazo ny tapakila hiatrehana ny « Mondial » izy rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, tatsy Afrika Atsimo.
Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny Ankoay 5×5, amin’ny fangalana ny tapakila hiatrehina ny “Afrobasket 2025”. Ny volana febroary izao no fantatra na ho anisan’ny hahazo izany ny Malagasy mpilalao na tsia, eo amin’ny basikety lalaovin’olona 5 ary hiditra avy hatrany amin’ny fanomanan-tena.