Hiavaka ho an’ny kaontinanta afrikanina ity taona 2025 ity, raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Hianoka tanteraka ao anatin’ny baolina kitra manomboka izao volana janoary izao hatramin’ny desambra.
Ho taonan’ny baolina kitra, ho an’i Afrika, ity 2025 ity. Fifaninanana goavana miisa 6 no hitranga ato anatin’ny kaontinanta, mandritra ny 12 volana. Hisantatra izany, amin’ity volana janoary ity, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025). Hitodika any Rabat Maroc avokoa ny mason’ny rehetra, ny 27 janoary ho avy izao. Eo no hahafantarana ny fitsinjarana ho an’ireo firenena 24 tafita amin’izany.
Ny 1 ka hatramin’ny 28 febroary indray, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina sady tsy misy mpilaravinahitra (Chan). Fihaonana hotanterahina amin’ny toerana telo dia Ouganda, Kenya ary i Tanzanie. Anisan’ireo firenena 18 mandray anjara amin’io ny Barea de Madagascar.
Fihaonana fahatelo, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy zandriny. Lalao hampiantranoin’i Côte d’Ivoire, ny 26 avrily ka hatramin’ny 18 mey ho avy izao. Na any amin-dry zareo Ivoarianina aza ity lalao ity, tsy anisan’ireo mandray anjara ny Elephants, noho izy ireo resy teo amin’ny manasa-dalana tamin’ny UFOA-B.
Hanaraka izay, ny famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara ka hisy fihaonana roa: ny 24 mey sy ny 1 jona.
Fotoana iray lehibe hanamarika ny tantaran’ny baolina kitra afrikanina ny volana novambra. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa 9 hisolo tena an’i Afrika amin’ny «Mondial 2026 », tanterahina any Canada sy Mexique ary Etazonia. Mbola manana herijika hiady izany toerana izany ny Barea de Madagascar.
Farany, ny fanatontosana ny dingana famaranana amin’ny “Can 2025”, hatao any Maroc, ny 21 desambra 2025 hatramin’ny 18 janoary 2026.
Tompondaka