« Tsiahy ho an’ny fahaterahan’ny Repoblika ». Mitohy hatrany ny fampirantiana ho fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara, indrindra nanomboka teo amin’ny naha tany Repoblikanina azy. Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no ahitana izany nanomboka ny 14 oktobra 2024, hatramin’izao.
Hisy ny atrikasa sy fampianarana ary fifampizarana mahakasika ny sokajina hatsikana « Stand Up », anio tolakandro, eny amin’ny Bamboo Lodge Antsahavola. Hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony ao anatin’izany ireo mpanao hatsikana mivondrona anatin’ny Gasy Stand Uppers. Ao anatin’izany no ahitana ny fomba fanoratana hatsikana Stand Up sy ny fanatontosana izany an-tsehatra. Aorian’izay, hisy ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra.
Efa madiva hifarana ny fampirantiana “Mémoria: récits d’une autre histoire”, eny amin’ny Fondation H Ambatomena. Vondrona fampirantiana andraisan’ireo mpanakanto maro samihafa anjara. Ahitana zavakanto maroloko nataona Malagasy sy vahiny mpanakanto. Anisan’izany ny hosodoko, sary sikotra, tenona, zavakanto plastika… Ny 28 febroary 2025 no hifarana ity fampirantiana ity.
“Ho tiavinay… Madagasikara”. Io ny lohatenin’ny rantin-tsary mandravaka ny efitrano malalaky ny Cité des Cultures Antaninarenina, hatramin’ny 25 janoary 2025. Ny Mi-Tily Sary, ivondronan’ireo Skoto, Tily, eto Madagasikara miangaly ny sary pika no manatontosa izany. Ahitana sary maneho ny hakanton’i Madagasikara, indrindra ireo zavamananaina maro.