Toekarena manga : Mikatona ny jono oratsimba

Voarara ny fanjonoana, famarotana, fividianana, fitaterana ny oratsimba amin’ny endriny rehetra manomboka ny 01 janoary misasakalina ka hatramin’ny 31 marsa misasakalina. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany. Noho izany, mila manambara ny
tahiry ananany eny amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy, hatramin’ny 09 janoary 2025, ireo mpandraharaha rehetra momba ny oratsimba. Voakasik’ izany ihany koa ireo orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra ary ireo toeram-pivarotana hazandrano samihafa.
Ankoatra izay, tsy mampiditra afa-tsy 7% amin’ny harinkarena faobe ny vola azo avy amin’ny jono eto Madagasikara. Tanjona ny hampakarana izany ho 16% sy ho kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Manodidina ny 200 000 taonina isan-taona ny vokatry ny hazandranomasina misy eto amintsika. Saingy, ny 20 000 taonina ihany no mbola miondrana any ivelany ka lohalaharana amin’ireo ny lamatra sy ny patsabe.

Henintsoa Hani

Partager sur: