Vinavinaina hiakatra ho 5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ity taona 2025 ity. Havaozina ny paikady hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fifandraisan-davitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fizahantany, ny fanarenana ny asa fitrandrahana.
Niampy 40 ireo mpandeha ny sambo lehibe « Pacific World » rehefa nandao an’i Toamasina, ny 01 janoary teo. Nahita ny hakanto sy mampiavaka ny faritra ireo mpandeha tao anatiny miisa 1 785 tonga tao an-toerana, ny 31 desambra teo. Teratany Japoney, Sinoa ary koreanina tatsimo ny ankamaroany.
Olana eo amin’ny akora fototra sy toerana hampirantiana ny vokatra no nitarainan’ny mpanao asa tanana misehatra amin’ny landy ao Ranomafana. Nifanakalo hevitra hitadiavam-bahaolana tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny fizahantany sy ny asa tanana ireo mpikambana ao amin’ny koperativa Famiova.
Vanim-potoana niroboroboan’ny fiaraha-miasa amin’ireo minisitera ny taona 2024, ho an’ny fandaharanasa Fiharina. Manohana ara-bola sy ara-teknika ireo mpandraharaha ny fandaharanasa ho fampiroboroboana ny famoronana asa sy ny fandraharahan’ny tanora ho fampandrosoana ny firenena.