Mahaontsa! Raha variana namboly ny rainy, niara-latsaka tao an-davadrano ny zaza mianadahy teny Anosiala Ambohidratrimo. Maty ilay vavikely, avotra kosa ny anadahiny.
Zaza herintaona sy telo volana, maty tsy tra-drano latsaka tao anatina lavadrano, tao Ambony Atsimo, fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny 30 desambra teo. Nanao ny asa fambolena ny rainy, ny marain’ny alatsinainy. Napetrany tsy lavitra, araka izany, ny zanany mianadahy. Variana nanao ny asa fivelomany izy. Nilalao ka tafalatsaka tampoka tao anatin’ny lavadrano izy ireo. Nahatazana ny voina nahazo an-janany, nikoropaka avy hatrany ilay raim-pianakaviana. Niezaka nanavotra azy ireo. Tafavoakany tao anatin’ilay vovo avokoa ilay zaza roa. Tsy tana anefa ny ain’ilay vavikely. Tsy nahina kosa ny fahasalaman’ ilay anadahiny.
Nahatelin-drano
Naharay ny fampandrenesana azy ireo, nigadona tao amin’ny fokontany nitrangan’ny voina, ny zandary sy ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII Anosiala. Efa tafakatry ny rainy tao anatin’ny lavaka nilatsahany izy mianadahy. Nozahan’ny mpitsabo ny vatana mangatsiakan’ilay zazavavikely. “Nitelina rano be loatra izy ka antony nitarika ny fahafatesany”, araka ny fitilian’ny mpitsabo ny razana. Mponina ao amin’ ny fokontany Fiakarana ihany ny fianakaviana niharam-boina.
Marihina, ilaina fahamailoana hatrany ny fanaraha-maso ny zaza hisorohana ny tranga tahaka ity niseho tao Anosiala ity. Tomponandraikitra voalohany hatrany ny ray aman-dreny na mafy aza ny adim-piainana sy ny asa saina.
Tsiferana R.