Voavely “barre à mine” : Maty ilay lehilahy nanasaraka ady

Naratra mafy ka voatery nentina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy iray nanasaraka ady tao Andra­nomadio 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny 1 janoary teo. Tao anatin’ny hafanam-po, teo am-piandrasana ny taona vaovao, nitrangana fifampikasihan-tanana teo amin’ireo vatan-dehilahy tsy nifankahazo hevitra tao amin’io fokontany io, tamin’ny 8 ora alina. Nahita ireo olona niady, niditra tamin’ ny fanelanelanana sy fanasarahana azy ireo ny lehilahy iray. Nilanja vy “barre à mine” anefa ny iray tamin’ireo nifampikasi-tanana. Tsy an-kitsitsy, novelesiny tamin’io vy io ilay lehilahy nanasaraka ny ady. Naratra mafy, nandriaka ra. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana avy hatrany ilay lasibatra. Tsy tana anefa ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. Tetsy ankilany, nifampitadiavana ilay nahavanon-doza nitondra ny vy ka nahavaky ny lohan’io lehilahy namoy ny ainy io. Ity farany izay fantatra fa nandositra niala ny tanàna, taorian’ny nivelesany tamin’ny vy. Mpanofa trano ao Andranomadio ihany izy, araka ny loharanom-baovao. Efa am-pelantanan’ny fianakaviany ilay namoy ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: