Asa tanana vita amin’ny hoditr’omby : Olan’ny mpisehatra ny fahavitsian’ny akora fototra

Misedra olana ny mpanao asa tanana vita amin’ny hoditr’omby, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. Mihavitsy ny akora fototra alaina eny anivon’ny abattoir na toerana famonoana omby eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa efa misy mamandrika mialoha izy ireny ka tsy mahazo ny tsara intsony ny ankamaroan’ny mpanao asa tanana malagasy. “Amin’ny ankapobeny, efa lasa sy fandrian’ny teratany vahiny avokoa ny hoditr’omby eny amin’ny toerana famonoana omby”, hoy ireo mpivarotra. Nambarany fa efa tsaikany sisa na ireo hoditra efa ratsy no hany anjaran’ny mpanao asa tanana. Lasa misy fiantraikany ratsy any amin’ny asa ataon’izy ireo izany. Lasa miharatsy ny kalitaon’ny vokatra ary miharatsy toy izany ihany koa ny vidiny.
Mamokatra zavatra maro
Maro ny zavatra vitan’ny mpanao asa tanana avy amin’ny alalan’ny hoditr’omby. Anisan’izany ny hetra, ny poketra isan-karazany, ny kapa, sy ny maro hafa. Zavatra ilain’ny olona andavanandro avokoa ireo. Ankoatra izay, manao ny kaomandy ilain’ny olona ihany koa izy ireo. Marihina fa efa manomboka mahaliana ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy ny manjifa ny vita gasy. Anisan’ny mpanjifa ny vokatra ihany koa ny mpizahatany tonga eto Mada­gasikara sy eto Antananarivo.

Mino

Partager sur: