Barea de Madagascar: Hanao lalao fanomanana efatra, hiatrehana ny Chan 2024

Zava-dehibe ho an’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) ny “Chan 2025”. Hisy lalao sedra miisa efatra hataon’ny Barea ho fanomanana izany.

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’ Ampbo­hijanahary, omaly i Andriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambarany tamin’izany fa hatao matotra ny fanomanan’ny Barea de Mada­gascar ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2025”.
Efa nomen-dRakoton­dra­be Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea, azy ny tetiandron’ny fanomanana. Ao anatin’izany ny hisian’ny lalao sedra miisa efatra hatao mialoha ny tena fifaninanana. Ny roa hotanterahina eto an-toerana. Ny roa hafa hatao any ivelany. Tsy mbola nambarany anefa ireo firenena hifanandrina. Ny azo antoka dia firenena tsy miray vondrona amin’ny Barea izany. Mbola hojerena koa ny ekipa afaka hifandona amin’ny Barea, ho an’ny lalao hatao eto Madagasikara.
Tsiahivina fa hatao ny 1 ka hatramin’ny 28 febroary ho avy izao ny “Chan 2025” ity. Hampiantrano izany i Angola sy Kenya ary i Tanzanie. Hanainga mialoha ny Barea de Madagascar, hizatra ny toe-tany any amin’ireo firenena hilalaovana. Hatreto, mbola miandry ny antsapaka hahalalana izay firenena iray vondrona aminy sy ny toerana hilalaovany ny ekipa malagasy.
Diso
Anisan’ny vaovao andrasan’ny Malagasy ny anaran’izay ho mppanazatra vaovao ny Barea sokajy “A”. Nilaza ny filohan’ny FMF fa tsy marina ny vaovao miparitaka any anaty tambajotran-tserasera momba an’i Thony Da Silva. Mbola ao anatin’ny fandinihana izay mahafeno fepetra ny komity misahana izany, ankehitriny. Miisa dimy sisa ny hanaovana fifantenana farany. Nomarihiny fa tsy mahalala ny anaran’ireo voafantina izy. Miandry ny famoahana izany amin’ny fomba ofisialy toy ny olon-drehetra ny filohan’ny FMF.

Tompondaka

Partager sur: