Distrikan’ i Mahajanga I: Nofanina ireo Juniors Reporter Club

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, naharitra roa andro, ny fanofanana ireo Juniors Reporter Club (JRC) ao amin’ny distrikan’ i Mahajanga I. Ankizy miisa 45, eo anelanelan’ny 12-16 taona, no nisitraka izany. Niara nanatanteraka ny fanofanana ny sampandraharaham-paritry ny Mponina Boeny, ny minisiteran’ny Tanora, Ko­lontsaina sy serasera ary ny Fanabeazam-pirenena. Lohahevitra nampianarina azy ireo ny zo sy fiarovana ny ankizy, ny fampanambadiana zaza, ny fampiasana zaza, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Teo koa ny loza sy ny tandindon-doza, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fahasalaman’ny saina sy ny tanora. Tanjona ny hampipaka eny amin’ny ankizy sy ny olona rehetra
eny anivon’ ny fiarahamonina ireo lohahevitra ampitain’ ny mpanao gazety kely ireo
eny amin’ny haino aman-jery. Mpanohana ny tetikasa ny Unicef. Mahomby kokoa ny fampitana hafatra rehefa ireo ankizy mivantana no mizara ny fanentanana momba ny zony.

Vonjy

Partager sur: