FANTINA sy FINTINA

Amin’ny 19 janoary izao, eny amin’ny FLM 67 Ha, ny famindram-pitantanana ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raelison Jean de Dieu, indray no ho filoha, araka ny fifandimbiasam-pitantanana. Izy no mandimby ny filohan’ny FLM, ny pasitora Rakotozafy Denis.
Ny fifidianana loholona indray no miandry ny Ceni, amin’ity taona ity. Mifarana amin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’ireo loholona, izay nofidin’ny mpifidy vaventy tamin’ny taona 2020. Mbola mampametra-panontaniana ny mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena kosa ny amin’ny fifidianana na tsia izay hitantana ny faritra na ny governora.
Tanterahina rahampitso, ao amin’ny tokotanin’ny Katedralin’i Farafangana ny sorona masina fametrahana ny evekan’ny diosezin’i Farafangana, S.E monseigneur Randriamamonjy Marcellin. Izy izay notendren’ny papa Ray masina ho evekan’i Farafangana, ny volana novambra 2024.
Hiverina handray ny asany ny 6 janoary izao ny mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta. Taonan’ny asa ity taona 2025 ity, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra firariantsoa nataony ho an’ny vahoaka malagasy tamin’ny faran’ny taona. Hifantoka kokoa amin’izay avokoa, araka izany, ny asan’ny eny anivon’ny minisitera.

Partager sur: