Federasion’ny Kung Fu : Mitety faritra sy manao famelabelaran-kevitra

Tsy misy fiovana fa manohy hatrany ny fitetezam-paritra fanaony ny eo anivon’ny Fe­derasiona malagasin’ ny Kung fu. Amin’ity taona 2025 ity, any amin’ny ligin’ny Vakinankaratra no hisantarana izany fitetezam-paritra izany, tarihin’ny Grand Maitre Avoko. Ny sabotsy 11 sy alahady 12 janoary no hanaovana ity hetsika ity ka efa misy ny fandaharam-potoana amin’izany. Ny sabotsy 11 janoary no hanatanterahana ny fiofanana ho an’ny Maitres rehetra ao amin’ny faritra, ka ao amin’ ny Kwoon Mahazoarivo An­tsirabe no hanaovana izany. Hoton­tosaina ny alahady 12 janoary kosa ny famelabelaran-kevitra lehibe hiarahana amin’ny Grand Maitre Avoko, izay hanasana ny mpikatroka Kung Fu rehetra, ny ray aman-dreny na ireo olon-tsotra ihany koa ka maniry hanatrika ny fampianarana. Ao amin’ny Tranoben’ny Kolon­tsaina Vato­fotsy Antsi­rabe no hitranga izany famelabelaran-kevitra izany. Ankoatra ny fifampizarana atao isam-paritra, tsy hisy fiovana ny fanatanterahana ny fifaninanam-pirenena toy ny isan-taona, toraka izany koa ny fampitaovana ireo ligy mandrafitra ny federasiona ho fampandrosoana ny taranja Kung fu any amin’ny faritra sy distrika maro ahitana ity taranja ity.
Tsiahivina, nahavita ny fivoriambe fanao isan-taona, ny volana desambra 2024 lasa teo, ity federasiona ity ary nisy ny fiovana maro natao ho fanatsarana ny taona 2025, anisan’izany ny fitsipika anatiny sy ny fitantanana ny taranja Kung fu.

Mi.Raz

Partager sur: