Fiovan’ny toetr’andro : Nihemotra ny fotoana hanetsan’ ny tantsaha amin’ity taona ity

« Mihemotra ny fotoana hanetsan’ny tantsaha amin’ity taona ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fisian’ny orana», hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Ramilison Nomenjanahary, omaly, raha nanontaniana. Mijaly ny ankamaroan’ny tantsaha any amin’ny disitrika maro ary anisan’izany ny any Faratsiho. Na dia teo aza ny orana nilatsaka tsindraindray tamin’ny fotoan’ny Krismasy sy taom-baovao. « Hatramin’izao fotoana izao, mbola ampahany vitsy ny tanimbary voaketsa, indrindra ho an’ireo tanimbary avo toerana sy sakamaina, raha ny zava-misy any an-toerana”, hoy izy. Misy fiantraikany lehibe amin’ny tantsaha, araka izany, ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mety hihena ihany koa ny voka-bary ho azon’ny tantsaha noho izany zava-misy izany.
Vahaolana ny fanaovana tohodrano
Nambarany fa ezaka tokony hatao raha te hahaleo tena ara-tsakafo sy te hampandroso ny tantsaha ny fanaovana fotodrafitrasa amin’ny alalan’ ny tohodrano. « Tsy tokony ho very fotsiny any an-dranomasina ny rano sy ny rotsakorana fa tokony hotantanina azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra, toy ny fambolena », hoy izy. Vahaolana tokony hataon’ny fitondram-panjakana hamahana izany, ny tokony hanamboarana tohodrano handrindrana ny rano mandritra ny vanim-potoan’ny orana.

Mino

Partager sur: