Miezaka hatrany ny komity mpitantana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny handball (FMHB), eo amin’ny fampiroboroboana ny taranja raha tamin’iny taona lasa 2024 iny. Na eo aza izany, mbola manana fahasahiranana izy ireo eo amin’ny serasera. Vokany, tsy tonga ny mpijery na maimaimpoana aza ny fidirana. Etsy ankilany, betsaka ireo tanora efa voasarika hilalao ity taranja ity, amin’izao fotoana izao. Porofon’izany, nahatonga solontena avokoa ireo ligim-paritra nandritra ny fifaninananam-pirenena. Na eo aza ny fanamby napetraky ny federasiona, mipetraka ho olana ho azy ireo ny hoenti-manana ka lasa vato misakana. Anisan’izany ny tsy fahafahana mandoa ny karaman’ny mpitsara ka mampiato fotoana maharitra amin’ny fotoana tokony hanombohan’ny fifaninanana.
Tsy nahasakana ny mpitondra eo anivon’ny federasiona izany rehetra izany, fa afaka nandray anjara tamin’ireo fihaonana iraisam-pirenena ny Akio de Madagascar, na ho an’ny zandriny na ho an’ny zokiny. Na teo ho eo aza ny vokatra, fandraisana anjara no zava-dehibe.
Tompondaka