Hatramin’ny 15 janoary ho avy izao, tsy mbola hisy herijika hisiana rotsakorana mihitsy ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro any an-toerana. Mety hisy tandrifin-drahona mitsitokotoko ihany indraindray amin’ny toerana sasany.
Natomboka ny fanadihadiana nasionaly ahafahana mandrefy ny tsy fahampiana kasinga manerana ny faritra 23 eto Madagasikara. Nanamora ny fifaneraserana tamin’ireo tokantrano nanaovana ny fanadihadiana ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ireo mpandray anjara teny anivon’ny fiarahamonina. Ahafahana manangana antotanisa azo antoka sy ara-potoana momba ny tsy fahampiana “vitamines” sy mineraly eto Madagasikara ny valin’izao fanadihadiana izao.
Amin’ny alatsinainy vao hiverina hiasa avokoa ny orinasa maro taorian’ny fety roa sosona natrehina. Somary maivana ny fitohanan’ny fiara ary malalaka ny lalana rehetra eto an-dRenivohitra hatramin’ny faran’ny herinandro.