INDRAY MIJERY

Andrasana ny fahatongavan’i Mathias Madi amin’ny dingana faran’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika taranja basikety, lalaovin’olona 5, hatao ny volana febroary izao. Tsiahivina fa tsy tonga izy nandritra ny dingana voalohany tamin’ity fifanintsanana ity saingy mety ho avy kosa amin’io febroary io.

Nahavita nanatsara zava-bita nasionaly 4 ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy. Teo amin’ny 100m dos sy relais, izay anisany nahavitany nanatsara ny zava-bita tsara indrindra. Nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehany, ny fiofanana nataony tany Thailande, no nahazoany ireo vokatra tsara ireo.

Hatao ny volana marsa izao ny andiany faha-11 amin’ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, izay fanao isan-taona. Hamoahana ny Oniversite mendrika indrindra eo amin’ny taranja basikety izy ity, ho an’ny taona 2025.

Klioba sangany eto Analamanga, eo amin’ny taranja volley-ball, ny GNVB sy ny ASI. Ahitana azy ireo avokoa amin’ny sokajy rehetra, manomboka any amin’ny Jeunes hatrany amin’ny “2è Division”, taorian’ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo klioba ho an’ny taona 2025, eo amin’ny taranja volley-ball eto Analamanga.

Partager sur: