Anisan’ny tetikasa roa lehibe ataon’ny fanjakana ny fanamboaran-dalana any atsimo. Misongadina
amin’izany ny lalam-pirenena ampahany RN13, sy ny RN10, Andranovory-Ambovombe.
Mandeha ny fanamboaran-dalana, hatao godirao ny ampahan’ny lalam-pirenena faha-13, Taolagnaro hatrany Ambovombe. Mirefy 114 km ity lalana ity ary efa vita hatrany amin’ny 65% ny asa, ataon’ny orinasa Colas, famatsiam-bola avy amin’ ny Banky eoropeanina ho an’ ny fampiasam-bola (BEI). Vinavinaina ho vita amin’ny septambra 2025 ny asa ary hotokanana aorian’izay.
Mitotaly 495 km ny lalam-pirenena RN13. Ampahany voalohany ity Taolagnaro-Ambovombe ity (114 km). Ampahany faharoa, mirefy 263 km, ny Ambovombe hatrany Betroka, mandalo an’ Isoanala sy Beraketa, izay mbola hikarohana mpamatsy vola, ary efa mandeha ny fanadihadiana samihafa. Ampahany fahatelo, ny Betroka mivoaka amin’ny RN7 eo Ikalamainty Ihosy, mirefy 118 km.
Hanomboka ny RN10
Miainga eo amin’ny lalam-pirenena faha-7, eo Andranovory hatrany Ambovombe, kosa ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-10, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Hatao godirao ny lalana, izay mizara efatra, ka ny roa amin’ireo dia efa nomena ny orinasa hanao ny asa ny antontan-taratasy hanombohana ny asa. Voakasik’izany ny ampahany mirefy 92,90 km, ny voalohany, eo anelanelan’Ampanihy (PK 215+ 700) sy Beloha (PK 308+600). Faharoa, ny mampifandray an’i Beloha (PK 308+600) sy Ambovombe (PK 420+366), mirefy 111,77 km. Hatao amin’ny fiandohan’ny taona 2025 izao ny antso tolobidy ho an’ ny ampahan-dalana roa farany, mampifandray an’ Andranovory-Ambatry, mirefy 98 km, sy ny mampifandray an’Ambatry-Ampanihy mirefy 113,7 km.
Tsiahivina fa tetikasa lehibe entina hampandrosoana ny any atsimon’ny Nosy ihany koa ny fitarihan-drano amin’ny alalan’ny fantsombe avy any amin’ny reniranon’Efaho, any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Misy ny fitarihan-drano fisotro, ary eo koa ny rano hanondrana velaran-tany hambolena.
Njaka Andriantefiarinesy