«Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory

Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patis­sier”. Tafakatra amin’ny din­gan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televi­ziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13.
Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo karazana haify sy nahandro eo amin’ny tontolon’ny mofo-mamy. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpiangaly izany ao Frantsa.
Fotoana nanehoan’i Tsiory Razafinimanana ny talenta sy fahaiza-manaony ity manasa-dalana ity. Nambarany fa mafy ny fifanintsanana. Na­hazo naoty ambony indrindra nandritra ny fihodinana voalohany avokoa ny mpifanandrina taminy. Tsy maintsy niezaka ny naka ny naoty ambony ity solontenan’ny Malagasy ity tany amin’ny tapany faharoa sy farany amin’ny dingan’ny manasa-dalana.
Tratrany ny tanjona, ta­min’ ny alalan’ny “Boule à neige”. Nahababo ny fon’ny mpitsara ny sakafo nokarakarainy. Azony ny tapakila ahafahana miatrika ny dingan’ny famaranana.
Manana herijika handrombahana ny amboara i Tsiory Razafinimanana, raha ny fahaiza-manaony sy ny lentan’ny fifaninanana no jerena. Ny famaranana izay hotanterahina ny alakamisy 9 janoary 2025.

Lin

Partager sur: