Lafo sady tsy marin-toerana ny vidin’ny letisia eny an-tsena, amin’izao fotoana. Mahatratra 6 000Ar ny kilao eny Ivandry, ho an’ny vokatra tsara kalitao, raha toa ka vidina 3 500Ar izany eny amin’ny tsenan’Andravoahangy ho an’ireo letisia tsy mbola masaka tsara. Vokany, mihena ka tsy maharisika ny mpanjifa intsony ny vokatra. Tsy afa-mampidina ny vidin’ny kilao nefa ny mpivarotra noho ny halafon’ny garaba iray, izay eo anelanelan’ny 50 000Ar ka hatramin’ny 80 000Ar. « 4 000Ar ny hamarotako ny kilaon’ny letisia saingy tsy mbola maharisika ny mpanjifa izany », hoy ny fitarainan’i Rova, mpivarotra iray etsy Antanimena. Nambarany fa zara raha mahalafo 4 kilao izy anatin’ny iray andro saingy foto-pivelomany ny mivarotra, ka voatery mivaro-mandeha izy, miezaka handafosany ny entana.
Nihena hatrany amin’ny 50% ny vokatra letisia tamin’ity taona ity, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Noho izany, hiara-hiasa amin’ireo teknisianina ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) hanatsarana ny vokatra amin’ny taona ho avy.
Henintsoa H.