Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray notifirin’ny miaramila kaporaly tao Fiadanana, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra Tsaratanàna, ny voalohan’ny volana janoary teo. Mamo teo am-perinasa izy ka norarafany tifitra ilay niharam-boina. Nisahana fiambenana banky iray ao Bekapaika ity miaramila kaporaly nitifitra nahafaty olona ity. Nahazo fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Dina ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Sarobaratra momba ity raharaha ity. Voamarina tokoa ny fisian’izany rehefa tonga tao an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Efa nentin’ny fianakaviany nody ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Gorobaky ny bala teo amin’ny fony hatrany amin’ny saokany. Nitarika ny fahafatesany izany noho ny ratra mafy nahazo azy. Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, lasa nandeha nividy fahana finday tamina toeram-pivarotana iray ilay raim-pianakaviana tamin’ io alina io. Nony nivoaka tao amin’ny fivarotana izy, nofahanan’ilay miaramila ny basy Kalachnikov teny an-tanany. Niantefa tany amin’ilay raim-pianakaviana ny bala. Tsy nisy resaka fa tifitra avy hatrany no nahazo ilay niharam-boina. Misokatra, araka izany, ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Efa fantatry ny lehiben’ilay miaramila rahateo ny fihetsika tsy mifanaraka amin’ny soatoviana miaramila nataony.
Jean Claude