“Samia manetry tena sy mahay mifamela heloka isika Malagasy. Aoka samy hiasa sy handray andraikitra amin’
izay toerana misy antsika tsirairay avy”, hoy Ratsirahonana Lalaina. Naneho hevitra manoloana ny zava-misy iainan’ny Malagasy ny tenany nandritra ny firariana soa noho ny taona vaovao. Ankoatra izay, tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany ihany koa ny niantsony ny vahoaka malagasy amin’ny fihavanana sy ny fananana fanetren-tena.
“Aoka isika hiala amin’ny fomba tsy marina sy tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra…”, hoy ny nambarany. Miantso ny rehetra mba hihavana sy hampanjaka ny fahamarinana izy. Andao hiverina sy hihavana amin’ Andriamanitra sy ny zavaboahary isika. Satria, ao anaty fahasarotana izao tontolo izao, indrindra fa i Madagasikara. Anisan’ny fitaovana ahafahana mandroso sy miady amin’izany ny fihavanana sy ny firaisankina.
“Aoka hifanohana”
Notsindriny koa ny hoe “Aoka hifanohana”. Nanaovany antso avo ho an’ny mpanao politika ny tokony hifanohanana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena. Anisan’ny mahatonga ny ady sy ny tsy fifankahazoana eto amin’ny firenena ny tsy fananana fanetren-tena. Zary lasa mifampiantsy na ny vahoaka madinika na ny olom-panjakana ambony vokatr’izany. Very, araka izany, ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana fa lasa ny tombontsoan’ny tena manokana no jerena.
Lin