TARATRY ny KANTO

Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita.
Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? Na, hita ihany fa manjavona sy manova sary. Talohan’ny taona 1975, ohatra, sarotra vao nahatafiditra hira tao amin’ny Radiom-pirenena. Tsy sivana mivantana no nisy fa fitandrovana ny soatoavina malagasy tsy ho simba. Noho izany, izay manelingelina an’io soatoavina io, avy hatrany dia nolavina. Ankehitriny, nitombo be ny fitaovan-tserasera, izay mahay mifehy azy ireny no lazaina fa « mpanakanto ».
Samy manana ny fahavononany. Ny sasany, vonona ny hiseho amin’izay. Ny hafa, aleo tsy miseho aloha amin’ity taona 2025 ity, satria, maro loatra ireo mandoto ny kolontsaina malagasy ka sao tafiditra ao anaty kitapo iray ny rehetra. Na izany aza, ny talenta tsy tokony hafenina. Ny ezaka hanatsara ny natao teo aloha, anjaran’ny mpitazana no mahita an’iny. Efa tokony hialana ilay tahotra hifangaro amin’ny « tsiparifary ».
Hiverina hisokatra ho an’ny rehetra manomboka ny 7 janoary ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka. Fampirantiana roa samy manana ny maha izy azy no handravaka ity ivontoerana ity. Anisan’izany ny “Histoi­re de famille” ao amin’ny ivontoerana vaovao. Eo ihany koa ny “Fours seasons” an’i Benjamin Loyauté.

Partager sur: