Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana Ranjatohery Harilala, mpikabary sy mpikambana eo anivon’ny Akademia Malagasy. Misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpandala ny soatoavina sy Malagasy mpanakanto. Mivoaka isaky ny roa volana ny revio. Nivoaka ny volana febroary sy marsa 2023 ny laharana 000.
Antony namokarana ny revio ny fahitana ny lesoka lehibe momba ny tsy fahafantaran’ny zanaka malagasy
ny maha izy azy. Natao ho niomerika ihany koa mba hanamora ny fifaninanana amin’ireo tambajotra sosialy misy ankehitriny.
Lin