Tsy mahalala menatra

 

Hifarana amin’ity herinandro ity ny fotoana fialantsasatra. Hiditra hianatra ny mpianatra amin’ny alatsinainy. Hiverina miasa tanteraka ny mpiasa. Mitohy ny raharaham-pirenena. Manohy ny asany ny mpitondra fanjakana. Hiverina amin’ny alarobia izao ny filankevitry ny minisitra. Midika izany fa miditra amin’ny fanodinana ny raharaham-panjakana sy ny fiainam-bahoaka ireo mpindrana fahefana.
Mazava rahateo ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa taonan’ny asa sy fanamby ny 2025. Andrasana, araka izany, ny vokatra azo tsapain-tanana, indrindra mahakasika ny fampandrosoana ny lafiny toekarena sy sosialy. Tsy ampy rahateo ny filazana fa nahavita an’izatsy na nampiakatra ny harinkarena faobe ho izaroa. Ny fanatsarana ny any anaty vilany izao no mahamaika. Toraka izany ny famerenan-kasina an’i Madagasikara sy ny mponiny.
Efa voafaritra izay ny tondrozotra avy amin’ny “deba”, tsy maintsy arahin’ny hery velona rehetra. Tsy maintsy irosoana ny fanatanterahana ny “baiko”. Tokony hatao amim-pahamarinana sy fahamasinana anefa izany. Tsy vitan’ny fiantsarambelatsihy sy ny kisarintsarin’asa.
Betsaka ny tomponandraikitra mamahan-dalitra ny “patron” noho ny fitiavan-tseza sy ny fiarovana ny tombontsoan’ny tenany manokana. Ny an’ny sasany ny asa tsy vita kanefa ny fandoavana “ekôlazy” mahoraka. Ny an’ny hafa ny anarany aza tsy hay akory kanefa dia mpikambana amin’ny governemanta.
Rariny sy hitsiny raha mba sintonina kely ny lakolosy ho an’ireo maty fanahy, tsy mahalala menatra. Zary sorona sy fitaovana hatrany ilay vahoaka madinika sy ny faharefoany. Marina fa ny vola sy voninahitra tsy hangidy rahoviana. Iza no tsy maniry an’izany? Mila manokatra ny masompanahy ihany anefa indraindray e!

r.r

Partager sur: