Vahoaka miray : «Hatambatra amin’izay ny lalan’ny mpanohitra»

Nisy ny fihaonana teo amin’ireo antoko mivondrona ao anatin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, omaly, teny Bel’Air. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fijoroana manoloana ny tsy rariny iainan’ny Malagasy.

“Tsy hoe miady ny mpanohitra, fa samy nitarika tany amin’ny nandehanany fotsiny. Tokony hatao iray amin’izay ny handehanana, fa tsy samy manana ny lalany. Ny lalana rehetra tonga any Roma, fa aleo amin’ny lalana manivaka sady akaiky no ho avotry ny firenena”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko Va­hoaka miray (Vami), Rako­tondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny hetsika nataon-dry zareo eo anivon’ny fanoherana, teny Bel’Air, omaly. Efa niteny ry zareo Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM) fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha mbola eo ny Ceni sy ny HCC. Nefa nisy nandray anjara, misy tsy nandray anjara… Io ny valin’ny fifidianana: hala-bato mahatsiravina no nisy teto Madagasikara. Tsy fahita tao anatin’ny 60 taona… Ho fialana amin’izay, andao havondrona amin’izay ny hery.
Ny amin’ny hoe tratra aoriana ny hetsika, aleo manao toy izay tsy manao. I Madagasikara no jerena, havotana amin’ny alalan’ny herin’ny mpanohitra ho iray. Izay no hanaovana fampivondronana, antony hananganana ny komity hikarakara fikaonandoham-pirenen’ny mpanohitra. Miainga avy amin’ny antoko na vondrona politika tsirairay avy ny komity, fa tsy hoe misy olona tompony. Tena ho mpanohitra avy
amin’ny lafivalo eto Mada­gasikara. Natanjaka hatrany ny mpanohitra hatramin’izay. Misy ny mpanohitra nankany amin’ny lalana ary, ny iray nankaty amin’ny lalana aty. Hatambatra izay lalana izay. Vao mainka hatanjaka ny mpanohitra. Matoa nisy ny hetsiky ny kandidà 11, natanjaka ny mpanohitra.

R. Nd.

Partager sur: