Mampanao fifaninanana ho an’ny tanora ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara. Miompana amin’ny fahaizana mandresy lahatra tetikasa ny fifaninanana, manome vahaolana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fampandrosoana entin’ny teknolojia niomerika ary ny sehatry ny indostria vaovao. Mialoha ny 26 janoary izao ny fara-fandraisana ny antontan-taratasy.
Miisa 15 000 ny zana-kazo hozaraina maimaimpoana ao amin’ny Sampandraharahan’ny Tontolo iainana any Ambanja. Karazan-kazo ahitana hazoala, voankazo, hazo mampidi-bola (kafe, jirofo, lavanila, …). Tanjona ny hampirisihina ny besinimaro hamboly hazo sady hitondra tombontsoa ho an’ny tsirairay.
Vonona hanatanteraka ireo vina napetraka nandritra ny fihaonamben’ny Ceo Summit ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hetsika nampivondrona ireo mpandraharaha aman-jatony sy mpamatsy vola maro ny Ceo Summit andiany voalohany.
Migadona ao Toamasina, androany, ilay sambo lehibe « Hebridean Sky » mitondra mpizahatany miisa 98 rehefa avy nijanona tao Maroantsetra, nandritra ny roa andro, ny 2 sy 3 janoary. Nitsidika ny valanjavaboary ao amin’ny nosy Mangabe sy Masoala sady nahita ny hakanton’ny karazan-javamananaina ao Ambatosoa ireo mpandeha rehetra.