Vidin-tsigara : Nidina 1 440Ar ny « droit d’accise »

Nahena ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana na “droit d’accise” ho an’ny si­gara. Lasa 1 440Ar izany amin’izao fotoana, raha toa ka 1 470Ar teo aloha. Fepe­tra napetraka ho an’ireo fonosana misy sigara 20. Manodi­dina ny 50 ka hatramin’ny 70%, izany hoe, tsy niova kosa ny taha alaina amin’ny sigara (ta­bacs à fumer) izay 25 000Ar/ kilao sy ny paraky na ny vokatra mitovy aminy. Voa­laza ha­trany fa tsy mandoa hetra intsony koa ny paraky tsy mbola voa­hodina, ny fakona paraky ary ny « ta­bacs homogénéisé » nafarana, araka ny fanitsiana navoakan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Ankoatra izay, nesorina ny fandoavana hetra mialoha ho an’ny sigara vita eto an-toerana avy amin’ny paraky nafarana. Nekena talohan’ny fandinihana nataon’ny parlemanta ireo rehetra ireo. Na izany, he­verina fa hampihena ny vola miditra ao amin’ny kitapombolam-panjakana ity fanitsiana ity. Tombanan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) fa mitentina 61,25 miliara Ar ny hetra azo avy amin’ny sigara sy paraky ary ny zava-pisotro misy alikaola.
Manaiky ny hampitombo 1,25% amin’ny tahan’ny ha­rinkarena faobe ny vola mi­ditra ara-ketra anatiny ma­nom­boka ny taona 2025-2027 amin’ny fa­nalana miandalana ny fandani­ana ara-ketra ha­tramin’ny 2% ny ha­rinkarena faobe ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra (DGI). Zava-dehibe ny mitantana am-pahamalinana ny volam-panjakana mba hitazomana ny fifandanjan’ny tetibola.

Henintsoa Hani

Partager sur: