Notapahin-drangahy ny tendan’ny tovovavy iray vao 20 taona, nanao tokantrano imaso taminy. Voalaza ho anton’izany ny hasarotam-piaro. Namono tena koa izy avy eo.
Maty novonoim-badiny ny tovovavy iray vao 20 taona, tao amin’ny tanànan’Antanananivo Isokitra, fokontany Andravinambo, Antsirabe Avaratra, ny atoandron’ny voalohan’ny volana janoary. “Ren’ny manodidina nifamaly izy mivady ireo nandritra io andro io”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimaria miasa ao Vohemar. Anton’ny vono olona ny hasarotam-piaro tafahoatra avy amin-drangahy. Tsy nisy nahita ny ady nataon’izy roa, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Naharaka tsara ny tabataba teo ampin’izy roa kosa ny mpifanolo-bodirindrina.
“ Raha ny zava-nisy sy ny fanamarinana natao dia nalain-drangahy ny antsy ka notapahiny ny tendan’ity olon-tiany. Nandriaka ny ra, namoy ny ainy ilay lasibatra. Taorian’izay, namono tena tamin’ ny alalan’ny zava-maranitra ihany koa izy. Niara-maty nitsirara teo ambony fandriana izy roa”, hoy hatrany ny mpanao famotorana tonga teny an-toerana nampita ny vaovao.
Ra hatreny an-tokotany
Tsy nahare feo nikorontana intsony ny fokonolona monina tsy lavitra azy ireo. Nihevitra, araka izany, ireto farany fa nilamina izy mpivady. Nandalo teo anoloan’ny varavaran’ny trano fonenan’ireo mpivady ny olon-tsotra iray. Nahita ny ra nandriaka nivoaka ny trano izy ka nampandre ny manodidina. Niantso ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra hijery ny zava-nisy ireto farany.
Vatana mangatsiaka miisa roa efa nitsirara teo ambony fandriana sisa novantanina tao. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa novonoin-drangahy talohan’ny namono tena ilay vehivavy. Marihina, mbola tsy nanana zanaka izy roa namoy ny ainy ireto, araka ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.