Voatery mampihatra ny atao hoe « vary tomboka », ny tantsaha mpampihatra ny vakiambiaty aty afovoantany amin’izao tsy fisian’ny ranonorana izao. Nambaran’izy ireo, fa fotoana tokony efa fanetsana na famafazana ketsa izao fiandohan’ny janoary izao, raha ny fanao isan-taona. Hany vahaolana, ny fandatsahana ny vary akotry avy hatrany amin’ny tanimbary, toy ny manao vary an-tanety, satria tsy fantatra mihitsy ny tena hiavian’ny orana.
Tombanana hiakatra ho 5 ny fitomboan-karen’i Madagasikara ho an’ity taona ity, raha ny vinavina voarakitra anaty Tetibolam-panjakana 2025, ary nohamafisin’ny filoha Rajoelina ny 31 desambra teo. Azo heverina ny hanatrarana ny fitomboana 8%, raha ny filazany ihany ho an’ny taona ho avy manaraka. Marihina fa 4,2% ny tatitra navoakan’ny FMI ho an’ny taona 2024 raha 4,4% ny an’ny Banky iraisam-pirenena.
Misy efa tafakatra 40 000 Ar ny vidin’ny saribao iray gony eto Antananarivo. Antony, mihena tsikelikely ny tolotra miohatra ny tinady, satria nitombo ny mpanjifa na ny fandaniana, araka ny filazan’ny mpivarotra antsinjarany. Mety mbola hiaka-bidy anefa io, raha vao hilatsaka eo ny ranonorana, satria hisondrotra ihany koa ny saram-pitaterana azy mandritra ny fahavaratra, toy ny fahita isan-taona.