Ben’ny Tanàna: manana anjara asa goavana amin’ny faritra iadidiny

Vita ny fifidianana ka mi­andry ny vokatr’izany ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Iray volana aorian’ny datin’ny fandatsaham-bato no tokony hivoaka izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Vina­vinaina hi­voaka ny 11 janoary 2025 izany ny voka-pifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’ny fifidianana iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna iny ary tokony ho izay avokoa ny tanjon’izay tafapetraka eo amin’izany.
Misy hatrany anefa ny anjara asan’ny ben’ny Ta­nàna, araka ny voafaritry ny lalàna. Anisan’izany ny mi­so­lotena ny kaominina, ma­mo­lavola fandaharanasa sy tetibolan’ny kaominina miaraka amin’ny ekipany amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny vahoaka ary mitondra izany hodinihin’ny mpanolo­tsaina. Manaraka izany, ny fanatanterahana ny fandaharanasa sy tetibola aorian’ny fankatoavan’ny mpanolotsaina azy. Mitarika sy mandrindra ary manatanteraka ny fandaharanasan’ny kaominina. Manao tatitra ny fanatanterahana ny asa nataony amin’ny olom-pirenena. Anisan’ny anjara asan’ny ben’ny Tanàna ihany koa ny miantoka ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny faritra misy azy. Manana fahefana hanao didy amam-pitsipika izy hiantohana izany. Mbola andraikiny ihany koa ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fiarovana ny tontolo iainana eo anivon’ny kaominina misy azy.

Lin

Partager sur: