Hentitra ny filohan’ny Conim ny amin’ny tsy maintsy hidiran’ny infirmiers anaty lisitry ny holafitra. Sehatra hahafahana mifampitondra sy miaro azy ireo amin’ny asany izany ka tsy tokony hiangaviana akory.
Fanentanan’ny Holafitry ny infirmiera (Conim) amin’izao voalohan’ny taona izao ny tokony hidiran’ireo infirmiers rehetra anatin’ny holafitra. Io no fomba iray mamaritra ny maha ara-dalàna ary manampy amin’ny fanamorana raha misy olana ateraky ny asa.
“Mpiasan’ny fahasalamana am-polony no voatazona am-ponja, ahitana sokajy samihafa noho ny raharaha maro nahavoarohirohy azy ireo ka miandry fitsarana. Ahitana infirmiera amin’ireo mifonja ireo”, hoy ny filohan’ny Holafitra, Andrianarisoa John. Tonga ao amin’ny holafitra ny fangatahana hamoahana ny taratasy manamarina ny fitondran-tena tsaran’ireo mifonja ireo avy amin ny tomponandraikitra.
Infirmiera tokana amin’ireo mifonja ihany anefa no misoratra ara-dalàna ao anatin’ny lisitry ny holafitra. Sahirana ny Conim satria tsy hita ny hamaliana izany taratasy manokana izany.
Izany indrindra no anaovana ny antso avo mba hisoratana anarana anatin’ny holafitra satria tokony tsy maintsy hatao izany raha ny sata mifehy.
Nilaza ihany koa ny filohan’ny Conim fa hoavy eto Madagasikara ny solontenan’ny conseil International des Infirmiers na (CII) hanara-maso sy hanome fiofanana amin’ny fanajana ny fitsipika moraly sy tandrohasina.
Tetsy andaniny, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fahasalamana, Andriamanantany Zely, sy ny filohan’ny Conim mahakasika ny fangatahana fanakatonana ireo sekoly ambony tsy manara-dalàna sy tsy miankina mampianatra infirmiera dia efa mivaly amin’ny ampahany izany. Manao antso amin’ny biraom-paritry ny Conim mba samy hijery ny zava-misy, indrindra ireo sekoly tsy manana taratasy kanefa misokatra.
Loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny sekoly tsy ara-dalàna mamoaka ireny infirmier ireny. Aina no karakaraina ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahaizana ny asa atao.
Tatiana A