Manomboka anio hatramin’ny 17 janoary ny fandraisana marary vaovao hanaovana fizaham-pahasalamana mialoha ho an’ireo olona maniry ny hisitraka fandidiana amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hatao ao amin’ny hopitalibe Analakininina sy ao amin’ny CHU Morafeno izany fizaham-pahasalamana mialoha izany. isaky ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma
Hiverina hiasa ao Toama-sina indray ity sambo lehibe ity, ny volana febroary izao, hanohy ny asa fandidiana toy ny efa nataony teo aloha.
Izay manana aretina toy ny katarakta, fivontosana amin’ny tarehy, sima sy vaky lanilany, hernie, post noma (fery), lipome… dia afaka misoratra anarana maimaimpoana. Nanamarika ny tomponandraikitra fa tsy misy antoka ho amin’ny fandidiana raha tsy efa nozahan’ny mpandidy Mercy ships ny marary iray.
Tsiahivina fa efa niasa 9 volana teto Madagasikara ny sambo hopitaly tamin’ny taon-dasa. Hanao fikarakarana ara-teknika ny sambo no antony nialany teto nihazo an’i Afrika Atsimo. Izao hiverina hiasa eto izao indray ny sambo manomboka ny volana febroary hatramin’ny volana desambra.
Olona maro no efa nisitraka fandidiana, indrindra ireo nanana fivontosana tamin’ny tarehy an-taona maro, ka niova endrika noho ny fikarakarana nataon’ireo dokoteran’ny Mercy Ships.
Mbola maro ireo maniry hisitraka fandidiana ka fotoana hisoratana anarana haingana izao satria tapa-bolana ihany no hanatanterahina izany.
Tatiana A