Nankatoavin’ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) ny famatsiam-bola anankiroa ho an’i Madagasikara, ny 19 jolay 2024. Mitentina 337 tapitrisa dolara ny voalohany, ho an’ny Findramam-bola nohamoraina (Fec), raha 321 tapitrisa dolara ao anatin’ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) ny faharoa.
Raha ny tatitry ny FMI, ny oktobra 2024, maromaro ny fepetra nifanarahana ahazoana ireo famatsiam-bola ireo, araka ny andininy faha-4. Ilaina ahitsy ny rafitra sasany mba hamerana ny fatiantoka ara-bolan’ny fanjakana malagasy. Zava-dehibe ny hametrahana paikady mazava manitsy hoazy ny vidin-tsolika isam-bolana, mifanaraka
amin’ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar isaky ny litatra izany. Raha raisina io fepetra io, tsy tokony hihoatra ny 6 100 Ar/l ny ho vidin’ny lasantsy, ary ho 5 100 Ar/l ny gazoala. Mahakasika izany, nanamarika ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, tamin’ny faramparan’ny taona 2024 teo, fa tsy mbola nampiharin’ny fanjakana io fepetra io, satria mbola iaraha-mahita ny fidangan’ny vidim-piainana, ka mety hiantraika mafy amin’ny tokantrano malagasy izay sahirana ny ankamaroany.
Ankoatra ireo, anisan’ny fepetra mila hifampidinihan’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina mpamatsy solika, ihany koa, ny trosan’ny andaniny sy ny ankilany ho an’ny taona 2024.
Njaka A.