Mangataka ny hisian’ny fitoniana ho amin’ny fampandrosoana amin’izao taona vaovao izao ny filohan’ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), Randriamahefa Benjamina, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny Tamia, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Tarigetrany nandritra izay 13 taona nijoroany izay ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony sy ny ady amin’ny fitiavan-tena.
”Telo taona izao tsy nisy fisondrotan-karama ny mpiasa malagasy”, hoy ny filohan’ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy (Kimm), ny Dr Jules Andriamaholison, ny faran’ny herinandro teo. Anjaran’ny governemanta ny mitady vola. Efa niteny ry zareo tamin’ny novambra hoe tokony horavana ny governemanta fa tsy mahay mitady vola, tsy mahay manova ny haren’i Madagasikara ho fototra hahazoam-bola.
“Tsy maintsy hitadiavana vahaolana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao” hoy ny S.E Monseigneur Fabien Raharilamboniaina, filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana ny evekan’i Farafangana, omaly. Tao anatin’izany no nitodihany tamin’ireo olom-panjakana nanatrika tao an-toerana sy nilazany hoe “havoty i Madagasikara”.
“Tsy kolontsaina Malagasy ny mivoy fanakorontana”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. Misy ny mpitarika politika mivoy fanakorontanana ary mihantsy ady fotsiny fa tsy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena, araka ny nambarany hatrany.