Niakatra fitsarana ny 3 janoary teo, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanapahan-doha tao Farafangana.
Dahalo telo lahy, nisandoka ho jama tao amin’ny tanànan’Anambakaka Iabohazo, distrikan’i Farafangana, ny 18 desambra 2024 lasa teo. Nalain’izy ireo an-keriny, tamin’izany, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dao. Notapahin’ireo tsy valahara ny lohan’io olona io. Nisy naharaka anefa ny asa ratsy nataon’ireo mpanapa-doha izay nisitrika tao anaty ala kafe. Fantatr’io nahita ny zava-nitranga io avokoa ny roa lahy tamin’ireo nahavanon-doza. Tsy sahy niantso vonjy izy noho ny tahotra. Nigadona tao amin’ny tanànan’i Ranomena Bezobaka, kaominina Vohitromby, ny lehilahy iray nitady mpividy lohan’olona, ny 21 desambra. Niandry kendry tohina ny zandary rehefa nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo momba io tranga io. Voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana sy ilay lehilahy iray nitady mpividy lohan’olona. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka voatazona vonjimaika ao amin’ny fonjabe Farafangana izy telo.
Tsiferana R.