Fodiana an-tanindrazana: azo atao ny tsy mandoa haba

Mampahafantatra sady mampahatsiahy ny Fitantanana foibe ny ladoany (DGD), fa afaka tsy mandoa haban-tseranana ireo entana fampiasa ao an-tokantrano, ho an’ny olona hifindra monina tanteraka aty Madagasikara. Anisan’ny fepetra takina ny nipetrahana tany ivelany herintaona fara fahakeliny. Efa nampiasaina herintaona fara fahakeliny ho an’ny entana manokana. Mahakasika ny fiarakodia, efa nampiasaina nandritra ny herintaona fara fahakeliny, izay voamarina ao anatin’ny «carte grise».
Azon’ny liana na olona voakasik’ireo ny manatona ny masoivoho malagasy any amin’ny firenena onenany, hikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifindra-monina. Azo atao koa ny manatona ny kaominina hanamarinana ny fifindra-monina. Aseho ny sampandraharaha misahana ny lalàna sy ny fitsipika ireo antontan-taratasy fanamarinana ireo, hanaovana ny fangatahana tsy handoa haba.
Marihina fa afaka mampody fiara iray avy ny mpivady miaraka mifindra monina. Maimaimpoana ny fangatahana tsy handoa haba.

Njaka A.

Partager sur: