Fotoana fiakaran’ny vary aloha eny amin’iny lemak’Ambohitrimanjaka iny izao. Miverina indray ny fanahazam-bary amin’ny arabe. Tataovan-doza na ireo mpanahy vary na ny fiara mivezivezy amin’iny lalana iny.
Natao handehanana mafy ny lalana mikodana miainga eny Ankasina mandalo ny tetezan’Ambohitrimanjaka mivoaka an’Andranotapahina iny. Tena mirimorimo ny fiara satria natao ialana amin’ny fitohanana any Ambohibao sy Talatamaty mihitsy iny.
Misy ny hitsivolana faha-60-166, tamin’ny 03 oktobra 1960, mahakasika ny fanajana ny fetran’ny sisin-dalana amin’ny lalam-pirenena entina hiarovana ireo fotodrafitrasa ary hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Voararan’ny lalàna ny manasa fiara eny amin’ireo fetran’ny sisin-dalan’ny lalam-pirenena, ny manaha vary eny ambony sy amin’ny sisin’ireo lalam-pirenena, ny fijanonan’ireo fiara vaventy tsy ara-dalàna amin’ny sisin-dalana…
Efa apetraka eo anivon’ireo kaominina ny taratasy fampiharana io hitsivolana io, entin’izy ireo manohy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo vahoaka saingy tsy mbola hita taratra izany.
Tatiana A