Anisan’ireo hetsika hita eny amn’ny Musée de la Photographie Anjohy ny fampirantiana ny sanganasa sy ny momban-dRamilijaona. Izy izay sokajian’ny rehetra ho Rain’ny Sary pika malagasy. Fampirantiana izay nanomboka ny volana desambra 2024 hatramin’izao. Tanjona ny hampahafantra ny taranaka aty aoriana ny olona nanana ny naha izy azy fahiny. Tamin’ny fotoana tsy nampalaza ny sary pika sy nanjakan’ny mpanjanaka tokoa mantsy no naneho ny naha izy azy Ramilijaona. Mbola mitoetra ary fakan-tahaka ho an’ny mpiangaly sary pika maro ny sanganasany amin’izao fotoana izao na dia tany amin’ny taona 1887 hatramin’ny 1948 aza no nampalaza azy.
Tsy teto Madagasikara ihany fa nanakoako hatrany am-pitandranomasina ny lazan-dRamilijaona. Ny taona 1920 izy no nanokatra ny trano famokarany teto Antananarivo. Ny taona 1931 kosa no tena nampalaza azy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Mpaka sary tsy miankindoha”. Io no namaritan’ireo mpahay sary pika tany ivelany azy. Izy izay manana ny maha izy azy manokana eo amin’ny fakana sary saingy feno sy manara-penitra hatrany ny sariny.
Lin