Hatramin’izao, ady saritaka mandrakariva ny politika. Nahoana? Saika ady toerana sy tombontsoa manokana hatrany no manetsika sy manesika ny ankamaroan’ny mpanao politika. Eny, na ny mpiray donak’afo izao aza: misy miady ho lohany. Tsy takona afenina izany tamin’ny firotsahan-kofidina tamin’ny fifidianana nifanesy teo, ohatra. Nisy tsy nanaiky ho fehezin’ny vondrona na antoko politika nisy azy dia nirotsaka amin’ny anarany manokana fotsiny izao. Izay fanaovana politika eto? Mahaleo tena na tsy miankina amina foto-kevitra na ideolojia mazava, fa samy manao izay saim-pantany.
Amin’izany, lasa ny vola no manjaka na ampanjakaina amin’izay hahavoafidy ny tena. Dia izay… Misy hatrany ny miady an-toerana, ka lasa mitombo isa ho azy ny antoko politika, vondrona politika, vovonana politika. Tsangan’olona no antony fa tsy tsangan-kevitra. Olona no arahina sy maharesy lahatra mety hahazoana toerana sy tombontsoa? Tsy inona izay foto-kevitra efa tsy misy rahateo. Tsy vitan’ny hoe tsy voafehy ny mpikambana amin’izany, fa tsy misy fifampitaizana. Ny vahoaka koa tsy hita be ihany amin’ny politika: misy ny leo, manarakaraka ambokony eny, mivadibadika…
Tombontsoa manokana hatrany no mibaiko sy mitondra ny rehetra? Tsy mahagaga raha tsy misy inona miova firy eo amin’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka, raha ny politika no antenaina. Vao mainka miharatsy aza… Tsy ny adilahy lava afitsoky ny mpanao politika ve, ohatra, no mahatonga ny korontana na krizy miverimberina? Dia sasatry ny miarina noho ny fisaraham-bazana, faharavana, fiadiana irery… Tsy hitondra na hitondrana inona izay taona vaovao, raha mbola izay hatrany ihany no atao sy iainana hatramin’izao? Raha mbola ho azo amin’izany ny vahoaka…
R. Nd.