“Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara

Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Mala­gasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Mada­gasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny rehetra ho fanatanterahana ilay tetikasa no azon’izay telo voafidy ho mendrika indrindra. Tanjona ny hanampina ireo mpanakanto amin’ny fampivelarana ny talenta sy ny fahaiza-manaony.
Hisy ny fampiofanana sy velakevitra fampahafantarana ny mahakasika ny fifaninanana sy ny fomba fandraisana anjara. Natao izany ho fanosehana ireo maniry handray anjara amin’ny fifaninanana. Eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 30 janoary 2025, no hanatanterahina izany. Tsiahivina fa tohana ara-bola mitentina 3 000 euros sy fivahinianana arahina fampiofanana any amin’ny Cité internationale des Arts any Paris no azon’ny voalohany. Eo ihany koa ny fampirantiana any amin’ny Fondation H Paris sy eny amin’ny IFM Analakely. Vola 500 euros sy fivahinianana roa volana, arahina fiofanana, ao amin’ny Fondation H Ambatomena kosa ny an’ny faharoa sy fahatelo. Manampy ireo ny fahafahana mampiranty ao amin’ny Fondation H Ambatomena.

Lin

Partager sur: