“Ny tantaran’ny firenena malagasy, amin’izao fitondran’ny filoha Rajoelina izao no tena hita fa nahazo toerana sy andraikitra ambony mifanahantsahana amin’ny lehilahy ny vehivavy”,araka ny fanazavan’ny mpandinika fiarahamonina Rabary Paul .
«Hita izany fa efa mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy malagasy, ary mandray andraikitra feno amin’ny fitantanan-draharaha eto Madagasikara.» Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, nanao jery todika ny taona 2024. Eo amin’ny governemanta, betsaka ireo manampahaizana nitodi-doha sy nanao tsy omby aloha manampy ny filohan’ny Repoblika ary lasa minisitra amin’izao fotoana izao. Betsaka ihany koa ireo tanora tonga mifanome tanana amin’ny filohan’ny Repoblika. Izay no manamarika fa misokatra ny filohan’ny Repoblika, ary mitodika bebe kokoa amin’ny tanora.
Fifidianana roa no natao tamin’ny 2024. Ny fifidianana depiote ny voalohany izay nandresen’ny Irmar. Teo koa ireo voafidy ho depiote maro samihafa avy amin’ny mahaleo tena. Eo koa ny nitrangan’ireo taranaka vaovao amin’ny fanaovana politika. Fifidianana ben’ny Tanàna ny faharoa, izay nahitana ny fandresen’ny Irmar. Teo koa ny fahazoan’
ireo kandidà mpanohitra amin’ny faritra mpanohitra samihafa tamin’izany. Etsy ankilany, marobe ireo kandidà mahaleo tena nirotsaka. Ny Irmar no hery politika voalohany eto Madagasikara. Faharoa, raha azo lazaina hoe hery politika, dia ny mahaleo tena: ireo lazaina hoe taranaka vaovao amin’ny fanaovana politika. Fahatelo, ny kandidàn’ny vondrona Firaisankina sy ny Kôlektifa an’ny Malagasy izay tsy mahahenika an’i Madagasikara raha atao bango tokana.
R. Nd.