Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven

Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Mala­gasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, sokajy lehilahy, hiatrika ny “Challenger Se­ries”, amin’ity taona 2025 ity. Tsara ny mampahafantatra fa miisa 16 ireo klioba afaka handray anjara amin’izany, ary hisy ny avy ao amin’ny XXL Top 12 sy ny Top 20. Ankoatra izay, hitohy amin’ny febroary ny Top 12, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka ihany, raha ny fanazavana azo avy amin’ny federasiona. Hatao mandritra io fotoana io ny lalao sakana hiakarana amin’ny manasa-dalana ho an’ireo klioba nahazo ny laharana fahatelo hatramin’ny fahenina, tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona. Anisan’ ireo hiatrika izany ny Uscar, ny TFMA Ankasina, ny TFA Anatihazo ary ny Tam Anosibe. Marihina fa hifandona amin’ny Cosfa, laharana voalohany sy ny FTM Manjakaray faharoa, izay ekipa roa tafavoaka amin’izy ireo. Raha jerena ny vokatra hatramin’izay, manana herijika ambony hanao famaranana ny klioban’ny miaramila sy ny avy ao Manjakaray. Porofon’ izany, tsy mbola resy mihitsy ny miaramila tamin’ireo lalao rehetra nataony. Faharesena tokana, tamin-dry zareo bebaoty, kosa ny an’ny FTM. Tsiahivina fa azon-dry Lahatra sy ry Koroka, mpilalaon’ny Manjakaray, ny tompondakan’i Madagasikara XXL Top 20, tamin’ny taona 2023 ka mbola hiaro izany izy ireo, amin’ity.

Fitia Randria

Partager sur: